You are here: home > Vetso

Hay ve!!!!!! - Ny Hasina Heritiana

Hay ve ka ilay  hoe tia hatrizay;
naverimberinao foana;
ka an-tendro-molotra ihany;
na koa angamba teny tsy tsaroana???

Hay ve ka ilay fitia natolotro;
nataonao an-tsisi-tosy;
tsy nasianao maso akory;
fa nilaozanao natory.

Hay ve ilay fitiavana ;
noheveriko ho mamy;
nitondra ngidy izay mafaitra;
nahatonga ny tomany;

tsy maninona ekeko;
fa hay fitiavana nitondra sento;
ilay fitia natolotrao;
ka hionona aho;
hivavaka ho anao
mba ho sambatra sy tiana;
ka ho feno fifaliana  
ny fiainam-pitiavanao.

Sokajy : Fiononana, Fiononana

Hevitra mandeha

nikopol (21/08/2004 19:11:13)

hay ve? hihihi

yonikafopl (21/08/2004 23:07:18)

hay ve ka nokekeriny ny oronaoka nampitaraina anao mafy toy izao
niko hihihihihihihihi

lanto (21/08/2004 23:18:39)

hihihi mampiakatra filin ve ny kaikitr'orona e ? mba handramako !

yonikafopl (21/08/2004 23:21:59)

lanto hihihihihihi
anjamou de lazao ahy
fa mba te hananjana kou za avy eo

hery (22/08/2004 18:36:38)

yonikafopl ve le Ny Hasina Heritiana?

yonikafopl (22/08/2004 22:43:58)

hery ie izaho ihany io.

nikopol (23/08/2004 09:23:51)

yonika, ary ohatran'ny bandy cowboy ny hitako amin'ilay sita nefa!!!!hihihi

yonikafopl (23/08/2004 14:29:48)

site inn kou zany ry nikopol???
manondrana fona tssss:p

mitsoa (08/12/2012 16:18:06)

mba ny orona iany ar kou

Hametraka hevitra

Midira aloha