You are here: home > Vetso

Ianao. - Ny Hasina Heritiana




Ianao io izay ho tiaviko;
ary antenaiko fa ho aviko;
Irariako ho famonjena;
Fa tsy ho be fahalemena.


Izaho anie tsy hilalao;
Na hisangisangy anao;
Fa fitia tena matotra;
Amin'ny mora sy amin'ny sarotra.


Ka mba hono ho aho ry tiako;
Izay iriako ho fifaliako;
Ho tena izy ve ianao;
Sa hivahiny dia handao???


Enga anie ka tsy ho izany;
Ireo tokinao tsy ho lany mamy;
Na aiza na aiza misy ahy;
Ny foko  efa anao ka aza manahy.


Ireo fiainako taloha;
Hohadinoiko avokoa;
Ny saiko no aoka hitanisa;
Ny ho avintsika paradisa.


Mino aho ry malala;
fa ianao koa tsy hisalasala;
Hankamamy ny fitiavako;
Ka  hanaiky hio rain'ireo zanako.

Hevitra mandeha

chipie1 (15/12/2004 19:32:33)

hummm tsara an!

Hametraka hevitra

Midira aloha