Ilay fanantenako (Ny Hasina Heritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asa mbola hisy angamba ;
fanantenana
F'ilay fitiavako efa jamba;
Toa tsy ho azoko rarana
ny hitia anao .

mety hisy ny adiady,
hisy koa fifamaliana,
nefa aho mbola hanantena:
fa ilay foko izay mitady:
hotoloranao fifaliana.

Tsy ho kivy aho;
Fa hanantena hatrany:
Fa mbola ho avy ny andro;
hahatsapanao ihany;
Fa mamy ny mitia.

Mbola antenaiko;
fa indray andro any;
ho eo anilanao aho;
hamboraka aminao;
ny lanjan'ilay fitia

Dia antenaiko koa;
fa ho tsapanao;
fa hafa ny olon-droa;
miaina fiainam-baovao;
Izay ilay fanantenako,
tiako hambara ho fantatrao.

Nefa mbola haveriko eto
Fa hajaiko ilay safidinao.
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana - Fitiavana
1788 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111