Mahereza!! (Ny Hasina Heritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
( Ity tononkalo ity dia valin'Ilay Fitia Tsy Ho Tanteraka avy amin'ilay olona iray izay, tsy izaho no namorona fa mamerina izay nosoratany fotsiny aho)

Tena tia hoy ianao; lasa saina maminany;
Manontany koa ; maminavina;
Izay an'eritreritro ao;
Ny fonao ampitsikio; tsy ho resin'ny tomany;
Satria , henoy anie ry Tina;
Fa toa orana mitraho;
Ity fo tia ka toa adala;
Te hiteny sy hikiaka anatin'ny alina mavany;
Hiantsoantso koa tsy hangina;
Ilay fitia ho anao ry lala.

Fantatrao; tsy miafina amiko;
Fa lalana tsy mifanjohy;
Nefa koa hifampitohy;
No hizorantsika izao;
Koa mahereza aza malaina;
Ho tody soa ty lalaina.

December,20,2004
--------
Rohy:
1979 0
Hevitra mandeha
yonikafopl ( 11/01/2005 00:57)
misaotra anao namaly ahy satria na tsy mifanjohy aza hifampitohy ihany.Mbola hisy fanantenana ihany izany aoriana any.
chipie1 ( 11/01/2005 14:13)
fa izay rehetra velonaina
mbola hisy antenaina akia .
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141