Ra vola (Ny Hasina Heritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noho ianao ra Vola;
no hanompoako toy izao;
noho ianao ihany koa ;
no ihafiako hatramizao;

Noho ianao ra-vola
no nandaozako ilay fireneko;
na nilanjako fijaliana;
tsy nampanionona nekeko;

Efa nekeko ary ekeko;
fa ianao no andry iray;
hiankinan'ny fiainako;
ka nokatsahiko hatrizay;


Nefa na izany aza;
aoka ho fantatrao ra-vola;
fa mbola misy ilay ambony
tiako mihoatra noho ianao;

Dia ilay iray tsy foiko;
ilay nohajaiko hatrizay;
Dia ilay JESOSY TOMPO;
Mpanjakako, anio;
ampitso, ary ho mandrakizay.
--------
Rohy:
2365 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127