Safidy!!! (Ny Hasina Heritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ianao mpamaky;
No mba maka ny toerako;
Dia asaiko mba mifidy;
Izay ho andry ianteherako.

Moa ve tarehy amam-bika;
Izay manaitra ny masonao;
Na koa harena tsy hita isa;
No mba ho safidiano?

Sa ilay toetra ao anaty;
Fitia vokatry ny fo;
Izay tsy manana ahiahy ;
Fa tena tia tia tokoa?

Rakoto no ilay bogosy;
Saingy miriaria tsy tana;
Diso tia vehivavy loatra;
Sady fetsy no malama.

Rabe kosa ilay tso- piaina;
Vonona hanolotra ny fitiavany;
Tarehy sy bika tsy hananany;
Fa izy vonona hampiadana.

Ka raha ianao no misafidy;
Iza no mba ekenao;
Hiara-hiatrika ny ho avy;
Ho rain'ireo zanakao;
....Rakoto sa Rabe???
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1455 0
Hevitra mandeha
maeva74 ( 05/04/2010 19:49)
I Rabe no safidiko hihihhii Mankasitraka e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125