Sangisangin'olontiana (Ny Hasina Heritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sangisangy hoy ianao;
sangisangin'olontiana
nefa latsaka tao am-poko tao;
ka nampitondra fijaliana.

Fa nahoana re ry tiana;
fa dia nahoana loatra;
no nanome ahy fahoriana;;
noho ilay sangy tafahoatra?

Miangavy anao aho;
miangavy an-tanan-droa,
ny marina no mba lazao;
hampiononako ny fo


Ka dia miandry aho
Miandry ilay marina avy aminao.

30 - 03 - 2004
--------
Rohy:
3423 0
Hevitra mandeha
Malalason ( 26/08/2004 07:26)
sosokevitra kely avy aty amiko mety ahasoa anao hitanao aza dia tonga dia manantena fitiavana be loatra @olon-tiana, indrindra aza tonga dia atao hoe fantany fa potika sy revo aminy ianao fa somary odio fanina kely ireny tiana ireny mantsy saro-tiavina ka raha hajainao izy dia ianao indray no apetrany, farany fantaro tsara aloha ny momba azy sy ny mikasika azy rehetra dia ho mora aminao ny miaraka aminy ary tandremo fa fietsika iray monja dia ampy hitiavany anao tadiavo io endrika iray io mbola hitohy... raha mahaliana anao ny mitafa amiko dia hanoraty aho na antsoy antariby

E-mail rjoglacier@yahoo.fr
Tél : 033 14 607 25

R.JO
yonikafopl ( 27/08/2004 02:24)
Malalason, misaotra betsaka anao.
Ny olana amiko dia izaho rehefa mitia dia tena tia, fa teto @ ity serasera ity nahaizako nitondra ilay fitiavana. Misaotra fa hanoratra any aminao aho.
maeva74 ( 05/04/2010 00:31)
Manalasala ny mitia e! Tsy hay laotra ny manafina rehefa Tia tsy azo baikona hoa modio gisa . Mankasitraka e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141