NY ANKIZINTSIKA (NY IRAKA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ANKIZINTSIKA

Ireto ankizintsika ireto
Dia manantena dingan-dava
Lavitr'ezaka mahàna,
Te-hisongona an-dRapeto.

Ao ireo jiolahimboto
Te-hantsoina hoe : "maditra"
Dia reboka mitotototo
Mikatsaka ny tranomaizina,
ka miomana sahady;
Ary etsy am-bodirindrina
No manao sarin'ady,
manontany ny lalàna
sy sasa-miandry ny ho faizina!
Dia miha-maro isan'andro
Ireto ankizilahintsika
Misikotsikotra tanàna
Mianatra miraviravy.

Ao koa ireo zazavavy
te-ho sanga sy bikàna,
sady "mena araviravy",
Fa mianatra mijilajila;
Ka miomana sahady.
Ary ao Analaromotra
No manao sarin'ady
Misetrasetra fitafiana,
te-ho potika sy ho kila.
Dia miha-maro isan'andro
Ireto ankizivavintsika,
Misangisangy fahotana,
Mianatra mahatanty saoka...

Tena ankizy be firaoka !!!

Ny Iraka Rambolamanana
06 Febroary 2001/11ora50mn atoandro
tao BERONONO-Ambatomanoina
(Anjozorobe)
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
915 1
Mpakafy: kiala.andria
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY IRAKA RAMBOLAMANANA
Nampiditra : kiala.andria
Daty : 13/03/2019 09:42
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144