You are here: home > Vetso

11-septambra - Ny Kanto

Tsy mora ny hanadino ny lasa izay nandrasa
Aina maro no indray tsy hita popoka
Tsy mba nanahy, fa teo amperin’asa
Hay ilay ratsy efa ela no nilokaloka
...
Dimy taona aty aoriana, litania no indro haniriana
Hahatsiarovana ireo izay nodimandry
Fanavaozana, fiarena-mahasondriana
Voarakitra an-tsary isan’ora, isan-tsegondra
...
Alahelo mafy miharo fahatsiarovana
Feon-dakolosy sy endrika torovana
No ho an’ny velona fadiranovana
Tsy mahay akory andro iray atao ho tovana
...
Izany angamba sisa no azo hamadihana
Ny pejin’ny tantara voahoso-dra
Ny ho avy andrandraina : mba hiadana
Izao tontolo izao ... vao mainka mampanahy



Ny Kanto Parisy, 11 septambra 9h03min.

Sokajy : tantara

Hametraka hevitra

Midira aloha