Aleoko mihono (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha vao lasa ianao
Nandrindrina ny foko
Ho lao toy ny fonja
Dia indro teo fa tonga
Ilay sakaizanao akaiky
Niezaka efa saiky
Hamboraka hampiaiky
Ireo tsy fantatro aminao
Tsy tena haiko hono ianao
Nampoiziny ihany izao
F’izaho ilay tena tia iny
Hay jamba sy sondriana

Ireo tsy fantatro aminao ?
Tsy sahiko anontaniana
Inona ary izany
Sakanako ho re izany ?
Mahavaka saina ihany.
Ireo tsy fantatro aminao ?
Mihono anefa tompon-trano,
Izaho vesaran’ny tomany.

Fa tsy misy tiako ho re,
Tsy misy tiako ho hay
Ireo tsy fantatro aminao
Ka n’iza n’iza hanova
Ireo loko tsaranao
Dia hazoniko hatrany
Ilay afo nahamay
Ny foko raha nahita
Ilay endrikao izay
Nambabo ny fanahy,
Niposahan’ny fitiavako
Ilay fitia tsy hita isa
Izay nahalalako anao
Izay no hofamihiko
Fantatro anatiko
Sy iriko ho fantatrao.

Ny Kanto. Pouchet. 2004-07-06
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1415 2
Hevitra mandeha
Malalason ( 07/07/2004 11:43)
na izaho aza mba te ahafantatra ilay tsy tsy tianao ho fantatra aminy, fa ezaho ihany aloha e! f'aza tonga dia mihono izany kony an!

misy tonon-kaloko mifanaraka amin'io hoe TAZOM-PITIA
RJO
NyKanto ( 07/07/2004 12:48)
Ny "mihono" anie Malalason anisan'ny fomba iray hiarovanao ny fonao tsy ho voaratra tafahoatra, aleo tsy hay toy zay fay ; ... fa raha mbola manantena ianao fa hisy fitohizany ilay fitia dia ny "mihono" koa no anisan'ny fihetsika iray ahafahanao manorina fiaingana iray vaovao.

Ny Kanto.
bichette ( 07/07/2004 13:45)
Mihonona mety fa ratsy raha mijaly anaty, lasa fahoriana indray ilay fitiavana. Koa halalino tsara nyKanto a ! mahereza e !
bichette ( 07/07/2004 13:49)
Mihonona koa mety raha tsy mbola fantatra mazava na hisy tohiny na tsia ilay fitiavana
NyKanto ( 07/07/2004 16:05)
Mihono sy mihonona anie samihafa bichette eh, ilay hoe "tompon-trano mihono" dia ianao no tsy mahalala ny zava-miseho fa ny hafa indray no mahafantatra izany, sasanangy samy hafa ireo. Ny Tiako nampitaina teto dia misy izay zava-miseho mety handrava ary mandrava ny fitia nefa odiako na iniako tsy fantatra satria izaho mbola tia, ka dia aleoko mihono tsy hahalala izany.
Ny Kanto.
NyKanto ( 07/07/2004 16:31)
jamba ny tia eh!
bichette ( 08/07/2004 07:27)
azoko tsara ka ! ammin'ny lafiny rehetra
Addy ( 09/07/2004 22:12)
Mino aho fa tia tsikera ianao. Tsy mpanoratra tonokalo aho fa efa nandalina sy nianatra ny tonokalo. Tsara ny tononkalonao fa mikorotana ny hevitra ao anatiny. Mino aho fa raha ianao aza anontaniana ny votoatin'ny tonokalonao dia tsy ho voavalinao. Ny rima tena tsy mandeha @ zay laoniny. Asa mety mampiseho fa tena voadona mafy ianao rehefa nilaozan'ilay olon-tianao. Tsy manara-drafitra ny tonokalonao. Manaraka izany aza dia tena atao ao daholo ny fo fa lafo be zao ny fo plastika.
NyKanto ( 10/07/2004 09:54)
Misaotra an'i Addy nitondra ny tsikera, ary amporisihiko indrindra ise hamaky ireo sanganasako hafa sy hivimbina soso-kevitra sy tsikera hafa koa... tiako ny mandray ny tsikera fa ny hoe hevitra mikorontana mety ianao no tsy mahatakatra ny tiako holazaina eto , dia ho izaho indray ve ny tsy hahalala ny taiko hambara ? ,... ny resaka rima, efa ela ireny no tsy notadiaviko, tsy mitady rima aho ... safidy manokana nataoko io, sonia tiako havela ao amin'ny sanganasako io ... mba tsy ho voafehin'ny lesona be azo tamin'ny fianarana ny tononkalo, mivoatra ny zava-drehetra!, farany manaraka izany, aza matahotra ise fa tsy marary akory ny foko, sombim-piainana mety ho ahy, mety an'ny hafa no ampitaiko ao anatin'ireny tononkalo napetrako ireny.

Mankasitraka dia manentana anao hatrany hitsikera.Mirary soa e!
Ny Kanto.
NyKanto ( 10/07/2004 09:55)

Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 07/07/2004 11:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101