You are here: home > Vetso

Antema - Ny Kanto

Feom-baliha mikarantsana
Re mitoetra, sy miavaka
...
Mankafy toera-mangina

Hiram-boro-manirery
Toy ny teny tsy ary elatra
...
Mitoreo fa henim-panirina

Aina miboiboika ela ao anaty
Tsy sasa-miandry lohataoana.
...
Fa te hanolo ny ririnina

Tontolo manodidina ahy
No mitambatra ho antema
...
Miandrasa, tsy ho irery !

Ny Kanto. Antema . Agropolis, Alakamisy 26 febroary, 9ora maraina.

Sokajy : fanantenana

Hametraka hevitra

Midira aloha