Antson'ny fitia (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza mankaty
Fa sao dia …

Hifoha ilay fahiny
Fahatsiarovam-pifaliana
Fahazazan’ny fitia
Tsy mba nanan-tsiny

Tongava ihany anefa
Ho tanora hahay hilefa
Tsy ho tratran’ny taloha

Aza mankaty
Fa sao dia …

Ho babo ny fanahy
Efa nanaiky ny hisafidy
Lalan-kafa sarobidy
Tsy hohambakain’ny lasa

Tongava ihany anefa
Ho lehibe hahay hanefy
Tsy ho sahy handrava efa

Aza mankaty
Fa sao dia …

Hiringiringy ka ho potraka
Hoe mpinamana hiritsoka
Teny miafina sy mamy
Hody safosafo, tambitamby

Tongava ihany anefa
Ho matotra afaka hamehy
Ilay fitia navalona efa ela




“Aza mankaty”, “Tongava ihany aty”
Samy antson’ny fitia
Tsy tana tsy voafehy
Nankaiza ary ho aiza ny taloha
No tsy avela hipongatra hifoha ?

Ny Kanto. Antson’ny fitia. Quai de la Seine. 2004-06-30. 5ora.
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy
2341 0
Hevitra mandeha
Malalason ( 16/07/2004 06:31)
ny taloha ve no sakanana tsy hiverina sa ilay antso no sakanana tsy hivaly nefa anie ka ny lasa tsy fanadino e indrindra raha efa nanolatra ka na sakanana aza dia tsy maintsy tonga ihany sa ...io no teny miafina sy mamy? dia mody hoe : "aza mankaty", "fa tongava ihany" ka tany izy dia tany dia ahoana ?
R.JO
bichette ( 16/07/2004 07:35)
sao dia aleo ilay hoe "tongava ihany anefa".... ny taloha efa taloha ary ny andro mierina foana, mihamatotra ny voa..... mety nanova zavatra maro...ilay voankazo manta taloha mety efa masaka tsara izao...
NyKanto ( 16/07/2004 08:04)
Mety hiombon-kevitra amin'i Bichette ihany aho hoe, "Tongava ihany anefa" ... efa hita taratra ao amin'ny lohan-teny nomeko io valin-teny io, satria io no tena antso eto. Nefa maro no mety vokatry izany fihaonana izany, indrindra indrindra ianao raha toa ka efa nisafidy lalan-kafa ... dia eo no miseho ny sakan-kevitra hoe "aza mankaty" vao eny ampidirana nefa tsy nahazo ny lohatenin'ity tononkalo ity na dia lohalaharana aza eto.

Ny Kanto




bichette ( 16/07/2004 09:50)
nykanto ... fa dia tena sentimentika daholo ve ny mpanoratra ? toa tena mampieritreritra mafy satria saika voaratra avokoa
NyKanto ( 16/07/2004 10:08)
Bichette,
Tsy afaka hamaly anao eo amin'ny toeran'ireo mpanoratra hafa aho satria maro be ny mampientana ny fo ka mitarika hanoratra...fa raha ny amiko manokana dia toy ny hery fialofana hoy ahy ny asa-soratra, indrindra indrindra moa aty an-tany lavitra aty, io halavitana io no mahatonga ahy hanoratra matetika kokoa mikasika ny alahelo, embona, hanina, vavaka, faniriana noho ny mikasika ny tsiky sy ny fifaliana ... ny mahagaga ahy anefa dia ny ankamaroan'ny asa-soratro amin'ny teny vahiny dia tsy miresaka ireo voalazako etsy ambony ireo amin'ny ankapobeany fa lasa fitakiana zo sy hevitra hafa izay mitsoka amin'izao vanin'andro izao.
Aminy fiteny malagasy aho azo lazaina hoe "sentimentika" araky ny filazanao azy, fa raha vao miova fiteny hafa dia lasa "mpieritreritra ny zava-misy ankehitriny".

NY Kanto.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 15/07/2004 16:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01