Fahanginana (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nahateny sady sina,
Fenofeno mila hitosaka.
Ranomaso no nihotsaka
Fa very ilay sakaiza tiana

Tsy nahateny sy variana
Nahatsiaro ireo taloha
Mifanenjika ao an-doha
Ireo akoakom-pifaliana

Tsy nahateny, tsy iniana.
Te-hiantso sy hitalaho
Sao mbola misy azo atao.
Nofy adalan’ny ririnina

Ny Kanto. Desambra 2004.
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
2432 1
Hevitra mandeha
NyKanto ( 13/12/2004 18:28)
Ekeko ,
fa misy ,
ekeko fa misy veloma tokoa ,
atao amin'ny maty,
atao amin'ny maty arahina saona.

Fa fara -veloma,
fa fara-veloma mangidy kokoa ,
ny an'izay velona tsy afaka mihaona.

RADO
vetsoko ( 13/12/2004 22:40)
mirary fiononana ry se a!ny ho avy indray mbanjinina moa e!nefa tsy manakana anao tsy ahatsiaro izany,ny soa nataony no tsarovy dia mahitĂ  fifaliana,izany an!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 13/12/2004 18:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121