You are here: home > Vetso

Fiofona - Ny Kanto

FIOFONA

Misy teny tsy hay tononina
Tsy hita maso, … avy aiza ?
Mitoetra … miara-monina
Mamelona ny saina sy mitaiza

Teny afaka manokatra ireo maso
Amin’ny hita sy tsy hita
Amin’ny soa sy ny ankaso
Izao tontolo izao vita

Teny fahanginana sa ... fahaginan-teny
Mampihavana ny nofy amin’ny aliny
Sy amin’ny nofiny ombieny
Teny didy, teny jadona, mampanonofy teny

Tsy mba mahalala vanin-taona :
Ny fanangolin’ny ririnina
Ny danik’andron-dohataona
Ny kotro-pahavaratra … haninona ?

Fa mandroatra, miboika ao anaty
Tsy voafetran’andro, tsy voasakan’ora
Eny dila sasak’alina aza tsy miato
Ny fiofony ho Tononkalo …manakora!!!

Ny Kanto,
Parisy, may 2007

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

gasyjean (07/12/2008 15:48:28)

tsara!

Hametraka hevitra

Midira aloha