Fo adala (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ravoravo ery ilay fo
Mietraketraka fitiavana
Manketsy mankeroa
Ireo filana tsy ankanavaka
Tanterahiny avokoa
Tsy mety miato, tsy afa-po

Ny hetahetany rehetra
Tsy voafehiny hanam-petra
Ny fatran’ny fitiavana aminy
Dia ny habetsahan’ny hamaminy
Ny ngidy sy ny tody tsy nosaininy

Rahampitso anefa
Ny hatanorana hilefa
Ny vony hiraraka
Ka nenina no hanaraka

Rahampitso anefa
Ireo fitiavany rehetra
Handatsa sy handao
Ka hanirery sy ho lao

Ny Kanto. May 2004
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1606 1
Mpakafy: booboo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 17/05/2004 09:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152