Hetaheta (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy fitia mitsiry any lavitra any... atolotro ho an'ireo namako ireo izany ... miaraka amin'ny firariantsoako.

Tia anao aho, eny tia anao,
Nefa tsy haiko ny milaza
Ilay afo manambara
Ny fitia an-tratrako ao.
Ny rano nantsakaina
Androany sy omaly
Toa raraka sy maina.
Ny anio ‘zao no antenaina.
Mangetaheta foana anao.

Fa mitady hirika aho
Fotoana, andro, ora iray,
Toy ‘lay tara-masoandro
Rako-drahona tsy nahy
Maniry ny hanazava
Hizara ny hafanany.
Ireo mitady anao hiantefany :
Na ny foko na ny saiko
Eny hatramin’ny fanahiko.

Ireny rehetra rehetra ireny
Ny tsy voalaza sy ny miery,
Tiako atambatra androany
Hiara-hivelatra hamony
Ho fiotinao, sy ho anao
Dia ho anao irery ihany
Ry sitrako sy tiako
Ary tena hataoko fantatrao
F’izaho tia anao, tena tia anao!

Ny Kanto. Jussieu, 2004.
--------
Rohy:
936 0
Hevitra mandeha
bichette ( 19/08/2004 08:37)
manja e !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 19/08/2004 08:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106