You are here: home > Vetso

Ho fandonaka - Ny Kanto

Noheveriko ho Mpanjaka
Fa hay koa Mpanompo
Ilay Tompo izay ninoako
Ireo masoko jambena
Izay nitady volamena
Gaga raha nahita
Azy nandohalika
Ninitika nanasa
Ireo tongo-bakivaky
Nampianatra ahy ombieny
Ny hanetry tena
Hahay hanompo sy hitia
Ireo no hafatra navelany :
Mba ho fanasina, fandonaka
Ho an’ny tany sy ny fo.

Ny Kanto, alakamisy masina, Paska 2004

Sokajy : ahy, manokana

Hametraka hevitra

Midira aloha