Ilay voninkazo (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatramizay ianao vao nitsiry
Hatramizao ny raho-mitatao
No efa nanintona ny masoko,
Isan’andro isan’ora
Aho nandinika nijery
Ny fisandratanao
Tia mananika ny avo
Mendrika ho deraina
Ilay fivoaranao isa-maraina
Ny haka anjara masoandro
No nanosika hampitombo
Sy koa nampiroborobo
Mba hivelaran’ireo vony
Ho haingon’ny tanàna

Ianao tony dia tony
Manoloana ny tontolo,
Anefa fiadanana marefo
No indro itoeranao
Tsy fantatrao akory
Ilay oram-baratra madiva
Rahariva, hilatsaka hiraraka
Handatsaka ireo ravaka
Mantsy raha mba fantatrao
Moa ve honakombonao
Ireo vonimanitrao mitsiky
Izay toa lasa mitalaho
Rahampitso tahaka izao
Dia hohitako ianao indrisy
Ho lavo sy nianjera
Na mihintsy hovoaongotra
Ka tsy ho hitako eto intsony

Toa mitovy izaho sy ianao
Sy marefo, tsy mahita atao
Ianao hamela tsiaro
Ireo hafatrao manako anatiko ao :
Hoe mandalo ihany aho
Eny, mandalo ihany izaho sy ianao

Ny Kanto, Tsy haharitra aho. Place albert premier, 22h27.
--------
Rohy:
Sokajy : Tontolo iainana
1580 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 02/06/2004 07:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104