You are here: home > Vetso

Iny... - Ny Kanto

Iny lanitra iny,
Na dia komavoky ny ngidy,
Sarotsarom-bahona
Mainty ngizin’ny hirifiry
Dia mbola mitahiry
Ny botsiakan’ny hamaminy,
Ny kanto sy ny hamangany.

Iny tànany iny,
Na dia navela hiraviravy,
Nilaozan’ny fisafony
Maina sy mangovitra
Dia mbola te-hanolotra,
Hanohy ny lamakon’
Ny fitiavany tsy miato.

Iny fony iny,
Na dia vakivakim-pahoriana
Voafitaky ny tiany
Nody efi-pijaliana
Dia … mbola hihirahira
Ilay felana hitsiry.
Fitia tsy maty fa mikiry.

Ny Kanto. Jussieu. 11ora20 2004-07-23

Sokajy : fanantenana

Hevitra mandeha

Oully (23/07/2004 18:59:27)

Indrisy !!! tsy fidiny....

bichette (18/08/2004 11:35:51)


marina ny voalazanao :

iny endriny iny na dia ranomaso aza izao no mandravaka azy dia indray andro any hahay hitsiky ary hitondra fahazavana ampon'ilay voafidy, fahazavana voatakon'ny ranon'orana mandalo.

Hametraka hevitra

Midira aloha