Izay mba fantatro aminao... (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izay mba fantatro aminao...

Moa ho haiko ve ry Tompo ny hilaza
Ny halalin'ny Fitiavanao
Mba sokafy ireo molotro hanambara
Izay mba fantatro aminao

Fa nisy memy afo, fitsapana nahamay
Am-pototry ny ankaso ... niantso anao ry Ray
Dia indro ianao fa tamy, tsy namela anay ho irery
Nijoro teo anila, namerin-tsiky very

Nisy tahotra nangeja, nampitomany anay
Niha-maizina ny tany, dia ianao ilay Namanay
No tonga nampahatsiahy ireo tokim-pamonjena
Nitondra fahazavana, nampitraka sy onena

Tao koa ny ahiahy, nampihorohoro fo
Nanery aoka izany, hitsoaka ho aiza moa ?
F'ianao nibitsika hatrany tam-ponay lalina ao
« Minoa fotsiny ihany, Fiadanako ho anao »

Mandrakizay tokoa ny famindram-ponao
Tsy takatry ny loha, ankalazaiko anio izao
Ry Namanay Mpamindra fo

Koa misy ve fisaorana ampy hilazanay
Ny soa sesehena nataonao taminay
Mpanompo tsy mahasoa

Misaotra eran-tsaina
Mankasitraka eram-po
Anao ry Ray Tsitoha.

Ny Kanto Parisy faha-27 novambra 2005
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1652 0
Hevitra mandeha
bichette ( 27/12/2005 06:59)
Hisaorana anie ilay Andriamanitra be famindrampo, mahari-po, be fitiavana sy Ilay tsy manary ny zanany mandrakizay
Iony ( 17/03/2006 16:06)
Dieu a dit :Je ne te laisserai pas et Je ne t' abondonnerai jamais.Heb 3:5 mais vérifiez qd même le verset!!!
NyKanto ( 22/03/2006 15:15)
Misy sy velona Andriamanitra!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 26/12/2005 14:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143