You are here: home > Vetso

Kalo anaty haizina - Ny Kanto

Atolotro an'i H.L.

Kalo anaty haizina

Ny masoandro izay nantenaina
Voafonjan’ny haizina tsy azo tohaina

Ny volam-peno teo avara-tanàna
Nianatsimo fa tsy tamana

Ny lanitra hoe lavitr’ankaso
Notenain’ny orana, mifia-dranomaso

Ireo kintana zatra trotroina
Niraraka aiza,  tsy tsinjo intsony

Eny e! ray anjara sy vintana
Nohamaizinina izay rehetra banjinina

Soloy tara-tsiky tsy fahita firy
Ny vodilanitra anaty hirifiry

Ovay tara-bolana somamby
Ny andro manjombona sy mampitamby

Ravaho saham-boninkazo manitra
Hamelana indray ny vahan-danitra

Dia tohino toa mason-dandy
Ny maso hibaliaka, hahita izany vavaka izany …

Ny Kanto. Parisy may 2007

Sokajy : Fiainana

Hevitra mandeha

zakoo (21/06/2007 15:33:25)

Misy fandinihina lalina mihezaha hatrany fa tsara

rojosalohy (17/01/2009 08:07:41)

Mahafinaritra ilay fanakaikezana zava-boahary rehefa maka aingam-panahy! aza avela hangina ilay antso ao anatinao!

Hametraka hevitra

Midira aloha