Lasa indray ianao! (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasa indray ianao
Tsy niteny tsy nivolana
Lasa aiza tsy haiko akory?
Dia rahoviana indray vao hody?
Ka ho herinandro sa iray volana
No hiaretako tsy hatory
Hiadiako irery sy hitolomako
Hitolona ny fiainana
Hitolona ny jaly
Sy ny fanaintainana

Izaho anie tsy mankasitraka
Na misafidy aza izao
Hiandry ny hiverenanao
Fa mahatsapa izay vitanao
D’efa koa naniry ny handao
Fa tsy afaka misintaka
Satria efa voababonao
Sy mifatotra aminao
Ary noho ilay zanako iny

Mba miova r’ilay tiako
Fa hosaronako fitiavana
Ireo lasa hohadinoiko
Miverena ry malalako

Miova r’ilay tiako
Izay no vavako izao
Tsy fantatro ny rahampitso
Raha mbola ho aritro izao
Ka izaho no handao anao

Ny Kanto. Fontenay sous bois; Lasa!.
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
2198 3
Hevitra mandeha
kitjo ( 20/06/2004 12:48)
Tsara be ilay tononkalo fa misaotra an' Nykanto
Mahereza izay sendra io toe-javatra io e, Araho tsiky ihany fa ao anatin'ny ngidy no misy ny mamy sa aona?
Sady refa tsy manao ratsy milamina ihany ny saina na sendra ny zavatra tsy mety aza e, azy ny azy!

Dia atolotra ho an'ireo ray mamela ny vadiny na ny zanany any ho any io zany @ izao fetin'ny ray izao!.
crrlanto ( 08/09/2004 21:58)
Tsara
crrlanto ( 08/09/2004 21:58)
Tsara
crrlanto ( 08/09/2004 21:58)
Tsara
crrlanto ( 08/09/2004 22:01)
Tsara, ilay tononkalo, ny hitako misongadina izao ,dia ilay fitiavany ny zanany,na dia eo aza ilay fo torotoro noho ny fitiavana,olon_tiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 20/06/2004 09:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105