Mandrakizay (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fotoana ts’isy fetra
Fa Mandrakizay,
‘Lay kipy masoko izay :

„Fa tao ny sandriko no tazako
Namihina ny vatany,
‘Lay tsikiny ao manako
Mitory ny fahatsorany,
Tao no reko koa ny feony
Sy bitsi-pahasambarany,
Tamin’izay no nahatsapako
Ho toy ny sambo atopan’onja,
Mankafy ny hamamoany,
Ilay foko avenavenany”

Raha nahiratro ny masoko
Hibanjina azy indray
- Ilay tovovavy tsotra,
Tsotra, lava volo,
Lava, tsara refy,
Tsara bika, tsara joro,
Malefaka fijery,
Mihoatra ny anjely,
Tony dia tony -
Dia tsy hitako intsony,
Nankaiza izy teo
Fa tsy hitako intsony ?

Ny Kanto. Quai de la seine, oktobra 2004
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1214 1
Mpakafy: NyKanto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 29/10/2004 17:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143