You are here: home > Vetso

Maraina hafa kely - Ny Kanto

Maraina voalohany eo anilanao
Ifohazako hahitako ilay tena endrikao
Izaho no hifoha mialoha
Hoy aho anakampo manontany
Hitsangana mitanjaka eo menamenatra ihany
Orokoroka miampy safosafo marobe
Namenoana ny mangina raha tsy nisy feo re

Maraina voalohany eo anilanao
Ifohazako amin’ny nofy niandrasako anao
Tsy manan-tsahala ilay fotoana hafa kely
Izaho sy ianao, raha tafidina eto an-tany
Miara-mahita ireo mombamomba antsika
Fotoam-pahamarinana irina mba hahavita
Hampitsiry fikasana sy fitia iray tsy manam-petra

Maraina voalohany mifoha anilanao

Ny Kanto, 26 aprily 2004, Printemps. Maraina hafa kely.

Hevitra mandeha

bichette (18/08/2004 11:41:34)


tena hafa kely marina, hevitra mety tokoa ny namoritanao izany ho tononkalo atao fahatsiarovana.

NyKanto (18/08/2004 12:41:23)

Hitanao io ohatra tononkalo tena lava be tsy fanao...

Hametraka hevitra

Midira aloha