You are here: home > Vetso

Maty ilay tantely - Ny Kanto


Maty Ilay TantelyItalic text

Andrarezina no lavo
Namela foana ilay kianjan’
Ny literatiora nampiravo
… Indrisy maty ilay Mpiantsa


Mpitari-dalana no very
Sahy namoha ny olona
Hamaha ny geja izay nanery
… Indrisy maty ilay Mpitolona


Mpino no nitsahatra
Nivahiny toa anjely
Ny sanganasany haharitra
… Indrisy maty ilay Tantely

16 septambra 2008
Ny Kanto

Sokajy : Fahafatesana

Hevitra mandeha

NyKanto (16/09/2008 22:38:03)

Kalo malahelo noho ny fahalasanan'i RADO

Zozoro (18/09/2008 23:02:58)

"Maty fa namela mamy ao natin'ny ankany"

Misaotra anao

Hametraka hevitra

Midira aloha