Mirendrika any... (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho Setrin'ny tononkalon'i Andriary..." Izao no hafany" ... mba ampitao any.

Miverimberina ao an-tsaina
Ny angamba... sy raha toa…
Ny lasa - tiako ho avy - sy taraina
Niova temitra, manenika ny loha

Ny hetahetako, hihaona aminao
Tsy ho faty, raha mbola velona aho.
Mahatondraka ary mahafefika ny fo
Ireo tomany, rehefa iny fa mifoha.

Mirendrika any, Manjatiana, ny fitia
Fa na any aho, na aty lavitra aty
Ho haintsika ve ny hampiposaka fitia?
Tsy any aho … fa aty lavitra aty

Iza no hantsoiko ho mpampionona ahy?
Ny fanadinoana tsy haharesy ny fanahy
Voasarika ho any, toy ny alon-drano
Tsy reraka mamafa , ilay tora-pasika tomany

Ny Kanto, novambra 2004
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1119 2
Mpakafy: Arimalala - NyKanto
Hevitra mandeha
Miarantsoa ( 17/11/2004 08:35)
Raha mbola velona alohan'ny hahafatesana!
nyeja ( 20/11/2004 06:35)
tsara be an sady ireo namako rahateo no nanao azy, andriary niventy dia Nykanto nanome setriny... dia tena ankafiziko e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 16/11/2004 19:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015