You are here: home > Vetso

Mpitazana-tazanina - Ny Kanto

Izaho ve no mitazana anao sa ianao no mijery ahy
R’ilay masoandro tratra hariva manopy anaty rano
Ny mamiratra hiangaviako hivimbina tsiahy
Sy hampipongatra irony arirarira sy angano ?

Izaho ve no mitazana anao sa ianao no misarika ahy
Ry sidim-borom-potsy amoron-kady izay mitaona
Ahy tsy ho eto intsony ka manainga ny fanahy
Hitety vohitra nilaozako indray andro lohataona ?

Izaho ve no mitazana anao sa ianao no mitondra ahy
Ry loharano mikoriana, madio mangatsakatsaka
Mamonto hafaliana ny foko an-dalan’ny tsy sahy
Hanantena intsony, nivarilavo sy efa latsaka

Izaho ve no mitazana anao sa ianao no mambabo ahy
Ry endrin-jazavavy kanto miserana anoloako
Mitondra ao am-poko dobodoboka tsy nahy
Manafoana ny tontolo manodidina tsy ahoako

Izaho ve no mitazana anao sa ianao mampahatsiahy
F’ilay hanitrao ry voninkazo, ny tsy hita izay orohiko
Dia endrim-piainana tsy tola, toa fanahy mandrakizay
Ka na ho avy ny ririnina, ianao tsy ho hadinoiko

Izaho ve no mitazana ireny rehetra ireny, sa ireny no mijery ahy
Ireo noheveriko fa kanto sy ireo tena marina
Mahay mampanadino ilay mpitazana-tazanina hahatratra ny fanahy

Izaho ve no mitazana ireny rehetra ireny, sa ireny no mijery ahy
Ireo fahatsarana, hasambaran-tena lalina
Mitondra hamamiana sy ho amin’ilay toeran’ireo fanahy voavaha

Ny Kanto, aogositra 2006.

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

Malalason (25/08/2006 11:21:01)

ndryyy izany ka aingam-panahy...

Hametraka hevitra

Midira aloha