You are here: home > Vetso

Ny fisianao - Ny Kanto

Ny Fisianao

Ho fisandratan’andro
Ny fisianao rehetra
Hivimbina masoandro
Hanazava ts’isy fetra

Ho fisandratam-bolana
Ny fisianao rehetra
Hanalavitr’olana
Hampirindra toetra

Ho fisandratan-kintana
Ny fisianao rehetra
Hampitsiry vintana
An’alin-kisa tsy voafetra

...

Ny Kanto

Hevitra mandeha

maelys (21/02/2006 10:35:43)

tena tsara fa tohizo

agoago (21/03/2006 15:15:22)

Ha! tsara kah!

NyKanto (22/03/2006 16:11:00)

Misaotra anareo mpamky eh ... ny tononkalo hono toy ny zaza sary raha mijanonatsy misy mpijery sy mpamaky...

NyKanto (22/03/2006 16:11:18)

Misaotra anareo mpamky eh ... ny tononkalo hono toy ny zaza sary raha mijanonatsy misy mpijery sy mpamaky...

ralos (29/05/2006 12:54:44)

(ho an'i Ny Kanto)

Ho fisandratam-pahombiazana
Ny fisianao rehetra
Ho velon-tsiky izay mitazana
Ka tsy hisy hanjoretra!


Mankahery amin'ny fizarana ny aingam-panahy.

Hametraka hevitra

Midira aloha