You are here: home > Vetso

Tily - Ny Kanto

Toy ny eo an-tilikambo fitiliana
Mitazana aho, miandrandra anao

Mba rahoviana
Vao hisandratra eny ambony
Ilay hika-pitsenako anao

Mba rahoviana
Vao hilomano anaty fifaliana
Ilay fahafantarako anao

Mba rahoviana
Vao hiara-dia anilanao
Ilay tsy hanirery intsony

Ny Kanto, 13 Aprily 2004, 10 ora 26min.

Hametraka hevitra

Midira aloha