Vahiny antanin'olona (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Olona tsy manan-taratasy efa ho 2000 no nidina an-dalambe tao Parisy ny asabotsy 21-08-04...

Nilahatra omaly
Ireo tsy manan-taratasy.
Nanao mita-be,
Sahisahy tsy nihafihafy.

Niaraka aminy eny
Ireo namana mpanohana,
Nitabataba vazavaza:
„Ny akamako aza mba kasihana !”

Ny asa izay iriny,
Ny trano tiany onenana,
Tsy misy ho azony ireny,
Raha tsy ananany ilay karatra.

Fa hoe maizina avokoa
Izay fiainany rehetra.
Antanin’olona tokoa,
Taratasy kely no mametra.

Satria hoe tsy ara-dalàna
Ny mombamomba azy rehetra,
Antanin’olona tokoa,
Dia matahotra ho voafetrika.

Anio ihany aloha ‘zareo
No navela hirediredy teo.
Rahampitso, am-badika any
Tsy hanan-jo hiteny.

Anio no sahy mitaky zo,
Fa rahampitso indray hiafina.
Izany no fiainan-drizalahy,
Tapa-piainana manahy.

Ny Kanto 2004-08-22
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1318 0
Hevitra mandeha
bichette ( 23/08/2004 13:54)
eny tokoa ! zava misy !!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 23/08/2004 08:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142