You are here: home > Vetso

Vatsin'aina - Ny Kanto

Ireo hafatrafatrao rehetra
Vita pirina voarakitra
Am-po sy saina, ao anaty
Tsy antery, vita tsianjery
Fijerijeriko matetika
Koa rahefa iny fa mandalo
Ireo adim-piainana, alahelo
Na inona inona hampimalo
Ireo teny velona voaraiko
Vatsin’aina hampitraka
No sakelehiko isan’andro
Tsy mba hisaraka amiko

Ny Kanto, Montferrier, 20fev ;11h52min.

Hevitra mandeha

didou (07/06/2004 21:25:48)

efa mijery ny sangan'asanao amin'izay ary aho manomboka eto satria dia niditra ho "namana" ! mandra-piresaka indray.

NyKanto (08/06/2004 10:00:25)

Misaotra an'i Didou nandalo sy nitsidika ary koa mbola nametraka hafatra dia mbola maniry fanohizana koa amin'ny firesahana.
Mirary soa mandrakariva.
Ny Kanto.

Hametraka hevitra

Midira aloha