Ny Vadiko (Ny R. Fidimanantsoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy tiako ny vadiko ho be fahavalo
Tsy tiako raha hisy ny fiavonavonany
Tsy tiako koa anefa ny olo-mandalo
raha omeny lanja ho toy ny ankohonany

Tsy tiako hisy olona hankahalainy
Tsy tiako ho isan'ny mpanavaka izy
Tsy tiako koa anefa ny fony ho zarainy
afa-tsy amiko sy amin'ny ankizy

Tiako izy ho mamin'ny mpiara-monina
Tsy ho tsiriritiny no hevitr'izany
aleo dia hazava ny tiako ho tononina
...tiako ho ny tompony
HO IZAHO IRERY IHANY.
Tiako ny vadiko...

Ny R. FIDIMANANTSOA
--------
Rohy:
2389 2
Hevitra mandeha
soakely ( 18/09/2006 07:20)
tena tianao marina ny vadinao zany an! marina daholo koa anefa ny lazainao e ! alefaso any aminy io fa tena milay be ! de mazotoa manoratra fa tsara kah
Liber_T ( 16/11/2013 05:27)
Hay ve hita aty koa itony tononkalo itony e!
Efa Ny R. FIDIMANANTSOA ankehitriny no anarana entin'io mpanoratra io
kasa ( 16/11/2013 09:24)
tsara kosa e! ar ra izy mits no manohitra ireo fanirian ireo d aôna?
lazaina oe ts tiana indray sa mbôla tiana foan?
tsar'e! d mba ataov re zay ahatanterak ny fanirin'ny vady ho an zay efa manambady
fa aza avela iady irer am tiak ts tiako eo izy e!
mr6 am mpamorona
kasa ( 16/11/2013 09:26)
tsara kosa e! ar ra izy mits no manohitra ireo fanirian ireo d aôna?
lazaina oe ts tiana indray sa mbôla tiana foan?
tsar'e! d mba ataov re zay ahatanterak ny fanirin'ny vady ho an zay efa manambady
fa aza avela iady irer am tiak ts tiako eo izy e!
mr6 am mpamorona
Liber_T ( 19/11/2013 14:29)
i Helitiana no tena tokony hisaoran'ny mpanoratra nampiditra an'ireny tononkalo tranainy ireny.Tsy tokony ho olana na tsy ovana intsony aza ny tahaka itony fa isan'ireo rakitry ny tantara ao amin'ny literatiora avokoa izany.
Sady ny hoe Ny Rindra ihany anie no nafohezina ho Ny R. fa nampian'ny mpanoratra ny tena anarany fotsiny e!
Mazotoa daholo ry 'reto a!
Liber_T ( 03/06/2021 09:08)
Mahafaly hatrany ny mahita an'itony. rehefa tafiditra ianao Dia sokafanao fotsiny ilay tononkalo, avy eo tsindriana ilay hoe "Ahitsy" Dia mety kitihina io
helitiana ( 03/06/2021 16:20)
Misaotra anao Liberty t@ fanoroana.
hery ( 03/06/2021 20:37)
Misy mpanoratra mitazona ny anarany taloha na dia miova anarana aza aty aoriana. Izany hoe ilay anarany taloha no mitondra ny tononkalo taloha fa anarany vaovao no mitondra ny tononkalo vaovao :-)
Fa raha ohatra ka hoe tokony soloina hoe Ny R. Fidimanantsoa ilay Fi.Phi dia teneno aho dia miova daholo.
Liber_T ( 04/06/2021 11:56)
Miarahaba e.
Mankasitraka Zoky Hery amin'ny Ezaka sy Fikirizana asehonao a. Misaotra hatrany an'i Helitiana ihany koa.
Ny R. FIDIMANANTSOA mihitsy no tena izy ka. Tena anarana nankafizana sy Safidy ilay "Ny Rindra" saingy noho izy io efa nentin'ny mpanoratra tranainy sy efa taloha bé tao @ UPEM (anaran'ny HAVATSA) t@ izany fotoana dia voatery tsy maintsy nosoloina ilay anarana. Ny hoe Fi-Phi moa dia tsy izy mihitsy. Toy izany koa ny hoe Fangia Kalo Gasy dia fitambaran'ireo olona maromaro mandrafitra ny tarika fa tsy olona iray. Mankasitraka anareo rehetra e
helitiana ( 07/06/2021 19:10)
Ny Rindra no mpanoratra nataoko teo t@ voalohany andriamatoa Hery a!Satria izay no anarana nentin’io mpanoratra io t@zany,dia taty aoriana hoe niova HONO ka ny henoko hoe Fi-Phi (dia mbola diso indray koa ve izany hihihi ???????? )

Eny, marina izany, ilay fononteny Fangia Kalo Gasy io liberT anarana-tarika, fa fotsiny nanamarihako hoe anatin’io tarika io ity mpanoratra eto ity, toa mpanorona mihitsy angamba raha tsy diso aho, rain’i Voara ????
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny R. Fidimanantsoa
Nampiditra : helitiana
Daty : 13/09/2006 15:12
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102