Afaho. (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fantatro fa tsy mba azo atao
Meloka aho,raha mandika ny Didinao
Nefa dia toa manota hatrany,hatrany
Ity zanakao fa mandia-tany...
...Noheveriko fa tsy hisy hahita
Tsy fantatro fa tsy hahatafita...
Nefa Ianao,ry Ray izay tia
Nibanjina ahy,nibanjina ahy nania!
Fa ao Ianao,ambony ao...
Manitsy ahy sy manavao...
Izato fiainako,mila tsy ho zakako
Manampy ahy Ianao fa fantatro!
Fa ny ahy ny fo tsy mba manan-tandrify
@ ratsy foana re no mba mitampify
Ny fanahy,mifatotra...saro-bohaina
Miziriziry...ka mahasavolaina
Ny amiko koa zara raha mahita mangirana
Ka mamela ahy re,avelao aho mba ho mirana
Ianao,Ray mpamonjy,iriako hanafaka
Ity fiainako izay efa tena solafaka
Ny anjara koa,iriko ry Ray
Mba ho tojo ahy,ho mandrakizay...
Mba ho fararano sy diavolana...
Ho lavitry ny ankaso sy ny olana
Ny RTM(R.Tanjona Mandimbison)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana
999 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139