Endrikendrika (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy lalam-piainana iray any ho any...
Izay tsy maintsy hodiavina raha mbola eto an-tany
Mampivonto ny fo,mandreraka ny saina
Na mafy na mora dia tsy maintsy zakaina!
Lalam-piainana iray mitranga matetika
Ka raha tsy mitandrina,mety hilentika!
Efa nandavo olona maro
Satria azo vidiana sy azo atakalo!
Mazana mianjady @ olona ory
Tsy azo ialana,toa manorisory!
Fa raha ny manana kosa no tratrany
Hainy ny manilika izany @ sasany!
...Tsy inona izany f'ilay endrikendrika
Ka mahaiza mitandrina sao dia ho rendrika
Mazana ny herin'ny vola no mahatonga izany
Ka raha ianjadiany,migogo mitomany!
Indrindra ho an'ireo sahirana
Satria ny fiantefany azo atongilana...!
Ny R.T.M
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1099 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146