HAFATRA (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRA

Hidera anao @ fo , no vinavinako hatrany ,
Ny hanompo anao tanteraka , no tarigetrako eto an-tany !
Ny hasambarana miserana , izay mandalo ety ,
Dia tsy atakaloko mihintsy , ilay ao aminao Kristy ...

Jamban'izao tontolo izao aho , izay ela be izay ...
Sodokan'ny hasambaràny , ary tsy mba nety ho fay
Ary dia nianoka tanteraka !
Saingy indrisy re , indrisy
Moa tsy ny amiko manontolo , no nosimbainy ho tsy nisy ?

... Ka ny hafatro aminao , dia ovay re ny lalana ;
Aza miandry foana izay ho fidînana , Mba mizara koa fiakarana ... !
Fa ny fiainana dia tsy ho ety ihany ...

Mananatra anao aho , ary mampahery anao hatrany ,
Satria mbola tena lavitra izany lalanao izany ...
Ilay Fanahy re mba koloy , f'aza avela hitomany ... !
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana
1104 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144