Indray andro any (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray andro any
Raha hisy koa ny farany,
Ho foana ireo tomany...
Ho azoko ny sarany!
Indray andro any
Izaho anie ka mino
Fa Ny fandavanao sesilany...
Mbola ho adino...
Fa indray andro any e!
Izao no mba tadidio,
Alatsaho an-tsaina anio:
Fa mbola hiarina ny fiainako.
Ka ianao izay nitarainako
Hanjary hitaraina amiko!
Saingy izaho tsy hamaly faty
Na dia ny nataonao aza tsy tanty
F'izaho tsy mba toy izany e!
Efa hainao ihany
Tadidinao ve ny teniko taloha?
Hoe any andro iray,
Ny hambo-poko mbola hifoha...
Ary tena hifoha @zay?
Tadidio angamba e?
T@ireny aho mbola jamba...
Jamba ny fitiavana anao
Saingy kosa nahifikao!
Ka ho setrin'izany
Dia ny fitiavako ihany!
Izaho anie ka tia anao e
Eny,mbola h@izao
Ianao no manary ahy
Fa izaho tsy mahafoy anao
Hiaraka isika izao
Any andro iray raha sitrakao...
Hanorina tokantrano vao...
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
1579 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Nampiditra : sayyuk01
Daty : 23/12/2016 07:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142