Mirana (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Endrika miramirana
Izany saiko re sahirana
Ary te hahita mangirana
Izay mety ho maminao ry Mirana

Mirana?

Satriko foana aza akia
Ny hitapifipify amin-dry
Ary hianoka fitia
Mandrakizay doria...!

Mirana a! Tena tiako ianao
Ary ravin-kazo sara-taho
Raha misaraka aminao
Ka tsy hety daholo izay atao!

Mirana?

Mirana o! Ampahafantariko anio
Fa ny fitiavako anao io
Aina re no fetra tadidio
Ka raha tsy ampy dia ampio...
... Fa raha mifameno anie isika
Ho tonga hafanana...ny hatsiaka...
Ny hasambarana tsy ho voavisa
Sasatra ny mitanisa!

Mirana a! Tiako raha tanteraka izany
Mandrakizay ety an-tany
Saingy hatreto aloha dia nofy ihany
Nahoana hoy ianao manontany?
- Satria vao faniriana ny ahy
Vao nofinofin'ny fanahy
Ny anarany aza noforoniko
Mirana no finidiko
Asa, noho izy miramirana...?

Mirana a!
Tena babonao aho!
--------
Rohy:
1169 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145