Nahoana kosa,ho'aho? (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana kosa, ho'aho,no miadam-pifaliana
Ny olon-tsasany eto,toa afa-pahoriana?
Ny eo tsy mbola lany,ny sisa tamy ihany
Injato no mitsiky,indraika mitomany!
Nahoana kosa,ho'aho,no afa-tsoritsory
Ny olon-tsasany eto,ka miadana an-tory?
Ny eo tsy misy dikany... Ny ho avy toa tsy hisy
Ka raha sorisory lava,izany ka indrisy!
Nahoana kosa,ho'aho no tsisy ahiahy
Fa miramiran-dava sy milamina fanahy?
Ny omaly mampiadana,ny ampitso mampifaly
Raha hatao indray mibango : tena afa-jaly!
Fa nahoana kosa,ho'aho,no afa-tsentosento
Nefa dia mandia 'ty fiainantsika eto?
Ny sasany toa ravo,tsy misy maha-ory
Ny hafa mitotorebika...Tsy miasa saina akory...!
Rah'zany re no izy,angamba kosa,ho'aho
Eto an-tany eto no misy fifaliana...
Fa any ankoatra any...Ka any ny talaho...
Ny fanahy fadiranovana,migoka fijaliana...!
--------
Rohy:
1053 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105