Ny tsikitsikinao (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TSIKITSIKINAO

Ny tsikitsikinao no hany tsikitsikiko,
Sy tena mampitombo izany faniriko.
Faniriko hitia sy hankafy anao hatrany.
Fa mamy toa tantely izany tsikinao izany.
Ny tsikitsikinao no mampifaly izany foko.
Ka rehefa injay ianao misiky, misinda ireo toloko.
Ka ireo sorisorin-tsaina h@ forongony,
Ny tsikitsikinao e , no hany fanafodiny.
Ny tsikitsikinao no tsy manan-tsahala,
Tsikitsiky tsy ho adino,tsikitsiky mampifoha
E tretrika anie aho, raha mitsiky ianao malala.
Sy tena mampandroatra ny fitia avy ao am-po.
Ny tsikitsikinao no fahasambarako,
Sy mpandray anjara fototra @ tantaram-piainako...
Raha saraka anao, iza no ho anjarako?
Ianao irery ihany, no tiko hitarainako,
Sy hitsikitsiky amiko,
f'izany re no mamiko!
...
Koa hitsikitsikio foana aho fa mamiko izany.
Ry tiana malala tsy foiko eto an-tany.

R.T.Mandimbison
--------
Rohy:
1155 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Nampiditra : sayyuk01
Daty : 05/04/2018 13:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157