Veloma (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa hay ve ny endri-miserana dia mahavita,
Mamoha avy hatrany ny fitiavako natory...
Ilay foko kely efa nipitrapitra...
Taitra ankehitriny,na dia efa nahantra sy ory!
Koa ambarako anao ry tiana,tiako taloha,
Ny fo izay naratra sy tena torovana,
Nitraka ankehitriny,ary tena nifoha,
Niova voron-kafa...F'ianao fahatsiarovana...
...Eh!Fahatsiarovana sisa,eny,ianao,
Izay nitondrako ny mafy sy ny mangidy
Ny hakantonao toa tsy mba ho lao,
Ary ny nataonao dia tena tadidy!
Koa mahaleova,mahalasana,
Fitiavana ny ahy...Fa tsy anjara ny antsika
Rivo-baovao izao no iainako... nefa aza adinoina
Ny fotoana niarahana,ny tantarantsika...

Veloma.
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
--------
Rohy:
1861 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157