Dia sahinao (Ny Tany)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia sahinao,...

Dia sahinao lahy
Dia sahinao tsotr\'izao ny nampindrana ahy
Ilay fitia izay tsy natao sy tsy voatokana ho ahy
Indrisy ndeha ho laviko satria sao,
Sao honota ianao, sy ho meloka aho,
Ka ho fitaka no atolotrao ilay olona iray tianao

Dia sahinao,...

Dia sahinao ve,
Dia ho foinao tokoa va re, ny hanolotr\'azy ho ahy
Ka ho kosehinao ireo voady izay natao
Ilay teny masina noventesin\'ito fonao mba ho azy
Azafady re fa hihemotra aho, handa tsotr\'izao
Satria ho neniko, ho neninao raha hamitak\'azy izao sy ianao


Dia sahinao,...

Dia sahinao indrisy,
Dia sahinao ny nilaza fa tamin\'ny fonao tsisy nenina
No nanoloranao azy, ka nasehonao ahy andraviravy
Ilay fankam-panahy, lozan-tany, tsy hay tohaina maharary
Kinanjo anefa, nikifika aho, nihodina tsy nahajery
Satria tsy foiko ianao raha toa ka ho very


Dia sahinao,...

Dia sahinao ihany,
Dia sahinao ihany nony farany ny nanery ahy
Nanery ahy mba hibitsika mangina ao anatinao
Ilay tononkalo iray nosoratako ho anao
Raha izay dia mba hanaiky aho, saingy an\'eritreritra ihany
No hivetesako aminao ny tonony sy ilay feo mitalaho.



H.I.M
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Ahiahy
2074 1
Hevitra mandeha
hasiniony ( 29/10/2004 17:30)
Tontolo aiza loatra no namolavola anao? Kanefa isika samy teto?
Sa ianao no poeta, nampisy foana ny hetaheta?
Neeck ( 03/11/2004 13:40)
Teto ihany aho, nitazana, nijery, niandray anao, Saingy indrisy fa ny saiko no lasa namisavisa tontolo iray ho anao rehefa iny tsapako fa hifandray ny foko sy ny anao.!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Tany
Nampiditra : Mael
Daty : 29/10/2004 12:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105