Lasa teo ny saiko. (Ny Tany)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia lasa teo ny saiko
Nirenireny teny,
lasa izy toa tsy haiko
Ho aiza ré é !,hiantefa any aminao
r'ilay mila hanafaka ny aiko!

Dia lasa ihany izy
Lasa foana,
Hanakatra ny lanitra
Nitady sy nikaroka... ilay Andriamanitra!
Aiza re ianao! , fa orin'ny fitia izato izaho !

Ny fitia !!! ?, sss..
Hitraka aho é,
Hitsangana tsy taitra
Reseko io na mafy aza, izaho tsy taitra
Satria ny mangidy sy toloko efa navaloko voazaitra!

Nefa na izany aza
Hivavaka aho,
Hivavaka ho ahy, hivavaka ho anao
Dia ianao ilay nampahory ahy foana
Tsy nahitako tory, sy nampiteniteny foana.

Ny ranomaso sy ny fiainana?
Lalana ireny tsy maintsy hizorana sy hiainana
Aza atao mampifendro
Aza atao mampitomany
Reseo izy, reseo hatrany

Dia lasa teo indray ny fisainako
Miady mafy,
Hanadiady izay voalazako,.....!
Nefa, ito tanako, tsy mitsahatry ny mamafa
Ny ranomaso mikoriana eo amin'ny tavako.

H.I.M
--------
Rohy:
2220 1
Mpakafy: Mael
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Tany
Nampiditra : Mael
Daty : 05/11/2003 16:22
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147