Ra!! valo (Ny Tany)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ra!! valo,

Nahoana re no toa miha-be
Mihamaro isa izany fahavalo ?
Fa inona ity natao no mirongatra mifongatra
Ny isan'ny dahalo !

Ra!! valo,

Miangavy re mitalaho.
Midina eny andalam-be
Mba ihaino ny vahoaka mitalaho
Tsy ireo mpanana fa ny mahatra matin'anohanana!

Ra!! valo,

Jereo anie ity kapokam-bary
Mifanenjika mitady hifanisa
Amin'ny isan'ireo olona matin'ny mosary
Vonjeo!, vonjeo! sao ho tankin' eo ity ilay feo !

Ra!! valo,

Dia ho sahinao ve ny tsy hijery
Hanakipy maso, hanjoloka fijery
Ireto olo-marobe miha-mahatra tsisy hery
Midina haingana ianao, malakia ndeha jenery


Ra!! valo,

Fa nahoana hoy aho
Manontany tena tsy mizaho zaho
Fa nahoana re indrisy
Na ny zavatra ohanina aza toa tsy nisy.


Ra!! valo,

Enga anie ianao
Ka ahita izay atao
Hialana handosirana hipitsihana amin'izao
Hozam-piainana mahatorana izao.

Ra!! valo,

Fa nahoana re
No miha-maro izato fahavalo.......


H.I.M
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - ahy
1977 1
Mpakafy: Mael
Hevitra mandeha
crrlanto ( 18/11/2004 04:49)
Samy manana ny haingam panahy tokoa ny olombelona.Ao ireo miventso ny fitiavana, ao ireo mihira ny fitiavan,tanindrazana, ao ireo mikalo ny hankanton,ny zavaboary
Ny ranamana kosa dia Ra8 no nikalony, fanehoan kevitra politika ihany izany,sady hatramin,izay ny malagasy anie ka nahantra foana sady tsy nisy lalana sy sekoly,
Mael ( 18/11/2004 13:50)
Ny lalana sy sekoly eo ihany, fa ny mahatalanjona dia hoe: fa nahoana moa isika no hivelona amin'ny kilaom-bary 1350 Ar, moa ve mba fantatr'ireo mpitondra ao ambony ao fa io vary io no ain'ny malagasy??, tsy ihira politika isika fa mampafantatra trotra ny fiainana misy amin'izao fotoana satria raha mahatra isika dia ahantra hoazy koa ny fitiavana izay lazainao eo ambony.
taxman ( 23/07/2009 13:17)
Fa maninona oa no tsy mb mis miventso an Andry TGV fa tô rén ef nampamang iren vets2oîna
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Tany
Nampiditra : Mael
Daty : 16/11/2004 11:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144