Aiza? (Ny Tsiaro)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aiza?Ilay fitia natolotrao ho ahy
Sombitsombiny ihany ve no nisy?
Tapitra izy ankehitrio?
Ka efa fongana madiodio?

Aiza?ireo andro fifaliana
Niserana ihany ve no tsy tsaroana?
Adino izy ity?
Ka efa narian'ny maso mody hikipy?

Aiza tokoa moa no hisy voninkazo
Ho voakolokolo ho mandrakizay
Fa tsy maintsy ho avy ny andro
Hahafoana azy ho asolo vaovao?

Izy ary moa mba ho aiza?
Ekeny izany hilahatra ho anjarany
Mionona amgamba no sisa ho vita?
Na dia tsy tantin'ny fony ary ny safidin'ny tiany

Na mbola ho tiany aza ny ho karakaraina
Afaka haninona izy ary iza no hiadiny?
Ny fon'ny tompony efa lasa nandao
Ka aiza intsony izay hiantahantany?

Ny tsiaro
21/06/18
--------
Rohy:
1887 1
Mpakafy: Ny Tsiaro
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138