Fanantenako (Ny Tsiaro)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inona moa no azoko atao,
Raha nanapa-kevitra handao ahy ianao
Na dia tia aza ny foko, izaho tsy afaka hitàna
Ny hany azoko lazaina: “raha leo ianao dia mandehàna!
Mahità izay mahasambatra, izaho dia mirary soa
Ilay nofinidinao anie mba ho tia anao tokoa
Tsy harahiko alahelo fa tso-drano aza no omeko,
Hitrotro am-bavaka anareo, izay no hany fahendreko!

Na izany na tsy izany,
Aoka ho fantatrao ihany,
F’izaho ho tia anao hatrany

Ny foko efa nivoady fa ho tia anao irery
Ka na hilaozanao aza, ilay fitia tsy mba ho very
Fa hitoetra mandra-maty ato anatiko ato,
Ato anaty foko izay hitempo, tsy mba hiato
Fa hatramin’ny fara-fofon’aina dia hidoboka ho anao
Ary ny hafatra farany hapetrako dia izao:

Izaho tsy hanozona anareo, na haniry ratsy sanatria
Ny hirariako aza moa, dia ho mamy foana ilay fitia
Izay mampiray anareo, mba haharitra doria
Nefa moa, tsy isika no mandahatra an’izany
Na dia maniry aza, mbola faniriana ihany
F’efa misy ny mpandahatra, dia ilay Ray ao ambony
Ka na kivy aza aho anio, dia izy no hampitony
Ity fo izay malahelo, ary izy koa no hanome
Izay anjara natao ho ahy, fifaliana be dia be
Fahasambarana ihany koa, fa indrindra ny fitia
Izaho mino an’izany, manantena aho satria
Ny Andriamanitro itokiako, azoko antoka tokoa
Fa afaka hanome ahy izay tsara sady mahasoa

Ary iza moa no mahalala raha ianao io ihany
No mety ho anjarako ? … … … fanantenako izany!
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana
4262 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014