Tsy kilalalao (Ny Tsiaro)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fitia tsy kilalao na koa hoe fialam-boly
Ka aza mbola miditra ao anatiny ao
Fa ao ny faly ao ny ory
Aza mipingapinga fa ndrao tsy ho zakanao

Ny fitia tsy kilalao na koa hoe fialamboly Izao re noizy fa ho lazaiko anao
Fa ahitana tsiky ao ,ao koa ny tomany
Raha itsofoka ao ianao mbola kely loatra izao

Ny fitia tsy kilalao na koa hoe fialamboly
Io anie ka hanomanana ny tokatrano Moa ve ny sainao mba efa vonona amin'izany?
Ny mety aminao izao dia mbola milalao
--------
Rohy:
1788 1
Mpakafy: Ny tsiaro
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145