Noely hoan'i dadanay (Ny zo Rado Herizo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andray izany hafaliako
fa tonga ny Noely
Kanefa raha ny tiako
dia tsy ho androany irery
fa ho Noely foana
ny andro rehetra rehetra

Tsy noho ireo vatomamy
na noho ireo kilalao
Fa hoan'i DADANAY

Tsy noho ireo sakafo
na ireo karazan-daoka
fa rehefa Noely izy dia
Mba tsy misotro toaka,
miditra am-piangonana,
manaja ny ankohonana.

Dia hoan'i NENY koa
satria rehefa Noely
dia miran'endrik'izy
tsy noho zahay ankizy
fa nohon' i DADANAY
Mba tsisy fofon-toaka
no indry miseho vahoaka
Ka dia nosakambininy
iankinany, fihininy

Ka soa fa nisy Noely
tao anaty taona
fa raha tsy izany
dia zary lasa saona
no nandrakotra ny fony
feno fitiavana
an' i DADANAY

Ka ny faniriako sy an'i Neny koa
ho Noely avokoa
ny andro rehetra rehetra

Ny zo
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana - fiainana
5707 4
Hevitra mandeha
booboo ( 06/12/2004 17:04)
Zay no itiavako ny noely. Mitondra ( sa mampisy ? )fanantenana sy fifaliana ho an'ny malahelo sy ny mijaly sy ny ory sy ny rehetra na dia kely fotsiny aza.
Ankafiziko tanteraka ilay tononkalo fa misaotra indrindra
moi ( 07/12/2004 13:09)
maka ny toeran'ilay zaza aho, dia manao ity tononkalo ...
dia fifaliana ... sy ranomaso koa ...
chipie1 ( 07/12/2004 16:09)
tonokalo natao ampisaina anilé raimpianakaviana manao anio...
oe zao no mba hetahetany ilay zanany
vetsoko ( 07/12/2004 18:07)
ho noely hatrany anie ny andro sisan'izay tojo izany olàna izany.
Poizina ho an'ny rehetra ny toaka,raha fintinina @ teny tokana dia RATSY
sonwin ( 07/12/2004 21:54)
>vetsoko>Tsy ny toaka no ratsy fa ny fitiavana azy tafahoatra no mahafaty.
nyzo ( 23/12/2004 11:52)
misaotra anareo rehetra, izao rehetra izao dia nomen'ny nahary hanjakantsika olombelona saingy raha toa ka mihoatra izay tokony ho izy izy ireny dia lasa manjary mitarika amin'ny lalan-diso.
mahereza daholo !

Ny zo
kally ( 20/12/2005 18:23)
Tiako loatra!!misaotra an'Ny Zo nizara taminay.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny zo Rado Herizo
Nampiditra : nyzo
Daty : 05/12/2004 15:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141