FANAMBANIANA (Ny.S)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny fiainako eto an-tany
No jerena sy tombanana
Dia misento aho,mitomany
Fa ambanian'ireo izay mpanana.

Tsy tahotra,tsy henatra
Fa dia lazaina,tantaraina
Hoe:Vao teo no niala nianatra,
Tsy kitay,tsy vary maina.

Rarao ny zanakao
Aza avela hiaraka azy
Raha azony natao
Dia izaho nomeny sazy.

Dia faly erĂ¿ milaza
Tsy andriny hitenenany
Hoe:Anaro aloha ny zaza
Fa sao dia hanenenany.

Angaha aho raha mavomavo
Sy tsy zanaky ny mpanana
Dia ny fiainako ho lavo
Ka hanambady hialin'anana.

Tsarovy anefa izao
Na ariva na maraina
N'inon'inona ataonao
Dia tsisy hiasako saina

Izaho no hanambady
K'aza hidiranao ny fiainako
Ary ho ataoko fady
Raha ianao no hitarainako.

Fa angaha ianao raha manana
Dia hoe hahavita tena
Fa tsy hilaoka anana
Fa hatramin'izay dia hena.

Izao no tsarovy
Sady ataovy ao an-tsaina
Fa na zovy ianao na zovy
Dia tsy maintsy hitaraina.
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
677 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny.S
Nampiditra : Ny_Arlinah
Daty : 18/04/2018 09:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013