??? (oceane)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mbola misy ve ireo navelanao?
mbola tia ve izao foko izao?
no toa manembona aho rehefa ilay irery
no toa mbola mitamberina ireny vita ireny

ianao angaha tsy lasa
sa mbola toa mikasa
no toa hitako ihany
anaty nofiko any

ianao ve tsy nandao
sa kosa mbola ao
no mampahatsiahy
fa hoe toa mbola "ahy"

ahoana ny hevitrao
hijanona sa handao?
lazao izay tena marina
fa tiako ho fantarina
--------
Rohy:
1316 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : oceane
Nampiditra : nahrindra
Daty : 11/11/2007 21:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104