Avela izy handeha (oceane)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AVELAO IZY HANDEHA

Avelao izy handeha
Fa tsy fanafody akory
Ny fihazonana azy

Avelao izy handeha
Hizotra lalan-kafa
Fa hanampy azy ny fandehanany any

Any izy ahatsapa
Ny fahabanganao
Any izy ahita
Fa tsy feno raha tsy eo ianao

Raha kosa izy hanadino
Aza miherika azy intsony
Fa tsy anjara angamba
Ny fiarahanareo

Raha izy tsy ahatsiaro
Ireo lasa niarahana
Ny lahatra hanampy
Anao hahita hafa

Tsy tsara ny mitazona
Olona tsy tia
Tsy tsara ny mihazonana
Ny tsy anjara akory

Fa avelao izy handeha
Raha tianao hiverina
Avelao izy handeha
Fa kosa aza ferana.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1428 0
Hevitra mandeha
katiaa ( 06/07/2007 14:14)
Marina mihitsy io sady fiainana tsara be io tsisy tokony hijaliana @ noull anankiray
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : oceane
Nampiditra : nahrindra
Daty : 06/07/2007 03:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138